Sidama (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Sidama (amharika: ሲዳማ) dia vondrom-poko monina ao amin' ny Faritr' i Sidama, ao Etiôpia. Tamin' ny 23 Nôvambra 2019 dia lasa fanjakam-paritra faha-10 ao Etiôpia ny Faritra Sidama taorian' ny fitsapankevi-bahoaka manerana ny faritra. Miteny ny fiteny sidama, izay fiteny ao amin' ny sampam-piteny kositika ao amin' ny fianakaviam-piteny afrô-aziatika. Na dia eo aza ny hamaroan' izy ireo, ny Sidama dia tsy nanana fanjakam-poko misaraka talohan' ny hetsi-panoherana tsy tapaka nahatonga ny tolo-kevitra momba izany ho lany tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin' ny Nôvambra 2019.

Mombamomba azy ireo[hanova | hanova ny fango]

Ny isany[hanova | hanova ny fango]

Ny Sidama dia 3,81 tapitrisa (4,01 % amin' ny mponina ao Etiôpia), ka ny 149 480 amin' ireo dia mponina an-tanàn-dehibe, izay mahatonga azy ireo ho vondrom-poko fahadimy be mponina indrindra ao Etiôpia.

Ny kolontsainy[hanova | hanova ny fango]

Ny fitenin' izy ireo dia ny fiteny sidama, izay fitenin-drenin' ny 99,5 % amin' izy ireo, araka ny fanisam-pirenena tamin' ny 1994. Araka ny filazan' ny manam-pahefana iray, ny ankamaroan' ny Sidama dia nanaraka ny finoan-drazany, ary tamin’ ny taompolo 1960, rehefa tonga tany amin’ ny faritra nisy azy ny misiônera eorôpeana, vao nisy niala tamin' izany finoana izany. Na izany aza, araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 1994 dia 14,9 % monja no manaraka ny fivavahana nentim-paharazana, fa ny ankamaroany (66,8 %) dia Prôtestanta, ny 7,7 % Mozilmana, ny 4,6 % Katôlika, ary ny 2,3 % no manaraka ny kristianisma ôrtôdôksa etiôpiana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]