Seranam-piaramanidin' Ivato
Ny seranam-piaramanidin' Ivato na seranam-piaramanidina iraisam-pirenan' Ivato (IATA: TNR, ICAO: FMMI) dia seranam-piaramanidina iraisam-pirenena any Madagasikara, any avaratry ny tanànan' Antananarivo.
Io seranam-piaramanidiana io dia seranam-piaramanidina namaboarina ho afaka mandray sidina iraisam-pirenena sy sidina any amin' ny faritra eto Madagasikara, izay miantoka ny sidina iraisam-pirenena sy sidim-paritra avy sy mankany amin' ny toerana 13 ary sidina anatiny (eto Madagasikara) avy sy mankany amin' ny toerana 11. Manana lalam-piaingana sy fipetahana mahatratra 3 100 m amin' ny 45 m ity seranam-piaramanidina ity. Ao no tena miasa ny orinasa mpitatitra Air Madagascar sy ny Madagascar Airways ary miisa 11 ireo orinasa iraisam-pirenena mampiasa azy io.
Fanitarana ilay seranam-piaramanidina
[hanova | hanova ny fango]Am-panitarana ny seranam-piaramanidin' Ivato mandritry ny folo taona. Ny tanjona voalohany indrindra dia hanova ilay seranam-piaramanidina mba hahafahan'ilay seranam-piaramanidina mandray fiaramanidina Airbus A380. Misy koa ny famoronana lalana faharoa, trano lehibe afaka mandray mpandeha 2500 ary toerana fametrahana fiarakodia. Hitombo 500 metatra ny halavan'ny lalana alohan'ny volana Novambra 2011.
Kaompania ary tanjona
[hanova | hanova ny fango]Kaompania | S.-p. Tanjona |
---|---|
Air Austral | Saint-Denis de la Réunion |
Air France | Paris-Charles de Gaulle |
Air Madagascar | Ambanja, Ambatomainty, Ambatondrazaka, Analalava, Ankavandra, Antalaha, Antsalova, Antsiranana,Antsohihy, Bangkok-Suvarnabhumi, Belo, Besalampy, Farafangana, Fianarantsoa, Fort Dauphin/Tolagnaro, Guangzhou, Johannesburg, Maintirano, Majunga, Mampikony, Manakara, Mananara, Mananjary, Mandritsara, Manja, Maroantsetra, Marseille, Mauritius, Morafenobe, Morombe, Morondava, Moroni, Nairobi, Nosy-Be, Paris-Charles de Gaulle, Port Berge, Saint Denis de la Réunion, Saint-Pierre de la Réunion, Sambava, Soalala, Ste Marie, Tamatave, Tambohorano, Tsaratanana, Tsiroanomandidy, Tulear, Vohemar |
Air Mauritius | Mauritius |
Comores Aviation | Anjouan, Moroni |
Corsairfly | Paris-Orly |
Kenya Airways | Nairobi |
South African Airways entin'i Airlink | Johannesburg |
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Ivato Airport |
- Tompon'andraikitry ny Seranam-piaramanidin' Ivato (Adema) Archived Aogositra 3, 2009 at the Wayback Machine
- Ivato Int. Airport (Madacamp)