Seleokia any Tigrisy

Avy amin'i Wikipedia
Sarintanin' ny toerana arkeôlôjikan' i Seleokia-Ktesifôna

I Seleokia any Tigrisy na Seleosia any Tigra na Seleokia na Seleosia dia tanàna taloha efa rava any Iràka, tandrifin' i Ktesifôna ary 35 km miala an' i Bagdad. Atao hoe Σελεύκεια / Seleukeia izy amin' ny teny grika. Iray amin’ ireo tanàna lehibe indrindra tany Mesôpôtamia izy tamin’ ny faran’ ny Andro Taloha, anisan’ ny resahina ao amin' ny tantara mampifandray an' i Babilôna amin' i Bagdad. Naorin’ i Seleokôsy I Nikatôra, mpandimby an’ i Aleksandra Lehibe io tanàna io, ka vetivety dia lasa tanàna lehibe sy foibe ara-barotra tena tsy azo lalovana.

Taorian' ny nandalovan' ny Arsakida tao amin' ny Empira Partiana dia misongadina mafy ao ny fiaviany grika, izay nanome azy toerana manokana tao amin' ilay empira ary tsy nanafina ny fananany kolontsaina sy vahoaka avy amin' ny faritra maro samihafa. Matetika no niadian' ny Rômana ity tanàna lehibe ity izay nihen-danja tamin' ny taonjato faha-3, tamin' ny nifaninan' i Kôha (Kokhe) teo akaikiny izay naorin' ny mpanjaka sasanida.