Aller au contenu

Salamisy (Sipra)

Avy amin'i Wikipedia
Ny zimnazy ao Salamisy

I Salamisy dia tanàna grika taloha any amin' ny morontsiraka atsinanan' i Sipra, eo am-bavan' ny ony Pedieos, 6 km avaratr' i Famagusta môderina. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Σαλαμίς, Σαλαμίνα, Salamís, Salamína, fa amin' ny teny tiorka dia Salamis. Ny fasana Salamisy dia manarona faritra midadasika hatrany amin' ny fetra andrefan' ny ala ka hatrany amin' ny Mônasiteran' i Masina Barnabasy mankany andrefana, hatrany amin' ny faritry ny vohitr' i Ayios Serghios any avaratra, ary hatrany amin' ny faritry ny vohitra Enkomi atsimo. Ahitana fasana nanomboka tamin' ny taonjato faha-9 tal JK ka hatramin' ny vanim-potoana kristiana voalohany ilay faritra.