Rotaka tamin'ny taona 2009
Misy rotaka mandoro any Madagasikara tamin'ny sasaka faran'ny volana Janoary 2009. Mifanohitra Andriamatoa isany Be'ny Tanànan' Antananarivo Andry Rajoelina sy ny Filoham-pirenena Malagasy Marc Ravalomanana. Miteny Andriamatoa Andry Rajoelina fa hoe lasan'Andriamatoa Ravalomanana ny toekarena malagasy ary mampiasa basy izy mba hiadana ny fihetsehany.
Lazain'ny mpanohana an'Andriamatoa Rajoelina fa ny anton'ny rotaka dia noho ny fanapahan-kevitra ny fanjakana, tamin'ny 13 Desambra, hanakatona ny Viva TV, fahitalavitry ny orinasan'Andriamatoa Andry Rajoelina ; nanameloka an'io koa ny ny Reporters sans frontières. Tamin'ny 17 Desambra 2008, nomen'ny solontenan'ny fifanoherana zo sy ny fiaraha-monina sivily ( Ramatoa isany Madeleine Ramaholimihaso sy Nadine Ramaroson) ; I A. R. nangataka ny fisokafan'ny ny media nidin'ny fanjakana , sy ny televiziôna sy ny radio nasionaly ho an'ny solontena ny fifanoherana, ary nanao ultimatum izy, fa tsy nihetsika ny fahefana. Niantso hanao filaharam-be Andriamatoa Rajoelina tamin'ny 17 Janoary eo amin'ny toerana 13 Mey any Antananarivo, ary nanangona olona 50.000, nanaraka ny fihetsiketsehana manohitra ny fajakana ara-dalana tamin'ny 24 janoary, ary lasa nivadika rotaka sy fandrobana. May tamin'io ny tranon'ny TVM, fahitalavitra Malagasy.