Reggae

Avy amin'i Wikipedia

Ny reggae dia karazana mozika nisandratra tamin' ireo taona 1960, vokatry ny fifangaroan' ny mozika ska sy calypso niaraka amin' ny blues sy ny rock and roll, mozika be mpitia indrindra amin' ny mozika jamaikana. Lasa mozika malaza eran-tany ny reggae izay matetika tafaraka amin' ny kolontsaina rastafary. Rehefa miresaka reggae dia matetika tonga ao an-tsaina ny hetsika rastafary izay nipoiitra koa avy ao Jamaika. Misy anefa ireo Rasta, toy ny hetsika Bobo Shanti, izay tsy miombon-kevitra amin' izany. Na dia izany aza dia mitonon-tena ho rasta ny ankamaroan' ny mpihira reggae, noho ny reggae ampiasaina hampielezana ny kolontsaina rastafary.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]