Ravoromanga
Ravoromanga dia iray amin' ny vadin-dRalambo.

Tetiarana
[hanova | hanova ny fango]Izao ny tetiaran-dRavoromanga izay tadidy hatramin' ny taonjato faha-9 tany ho any:
- Ratrimo Andriandroka I (nanambady an-dRasoamananintany) niteraka an' Andriatsitakadrazana, tao Ambohidratrimo atsinanana.
- Andriatsitakadrazana niteraka an-dRazevozevo tao Ambohimahatakatra. Razevozevo niteraka an-dRazevomanana tao Fanongoavana.
- Razevomanana niteraka an-dRamasinanjoma tao Ambohipaniry.
- Ramasinanjoma niteraka an-dRasambomanoro tao Analamasina. Rasambomanoro niteraka an-dRamasinamparihy tao Alasora.
- Ramasinamparihy niteraka an' Andriandroka II tao Ankotrokotroka. Andriandroka II niteraka an' Andriampironaka tao Analamanga.
- Andriampironaka niteraka an' Andriatsimndafikarivo sy Andriambodilova ary Ravoromanga.
- Ravoromanga, teraka tao Analamanga, niteraka an' Andriambazaha sy Andrianambizato ary Andriatsimitakona.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-16 dia mpanjakan’ny vohitra vazimba maro taty anivontany ahitana an’Ankotrokotroka sy Analamanga sy Ambohimanga ary Ambohimanarina i Andriandroka II koa Ankotrokotroka no renivohitry ny fanjakany sy nonenany.
Tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-16 dia nisy andriana arabo avy any Arabia natao hoe Habib (nogasiana hoe Rabiby) narahin’ny vahoakany nananika avy avaratra antsinanan' ny vohitr’Ankotrokotroka, koa vokatr’izany dia lasa nifindra monina teny Analamanga (Antananarivo ankehitrio) ny mpanjaka Andriandroka II sy ny vahoakany. Nanjaka nandimby an’Andriandroka II teo Analamanga i Andriampirokana zanany, vohitra nahaterahan’ny zanany telo mianadahy, dia Andriatsimandafikarivo sy Andriambodilova ary Rafotsimarompaniry (nantsoina koa hoe Ravoromanga).
Ravoromanga, vady tian' ny mpanjaka Ralambo indrindra
[hanova | hanova ny fango]Indray andro hono raha nitsangatsangana narahin’ny angaralahiny tao atsimon’ny fanjakany Ralambo dia nahatazana vehivavy tsara tarehy sady lava volo be izy ireo. Dia nanontany ireo angaralahy ireo izy momba io vehivavy io, ka hoy ny angaralahiny hoe: "Rafotsimarompaniry zanak' Andriampirokana etsy Analamanga io tompoko". Mba ho fametraham-pihavanana tamin'ny Andriampirokana izay mpanjaka vazimba teo Analamanga dia nalain’ny mpanjaka Ralambo ho vady Rafotsimarompaniry. Tsy nanosehan-dRalambo an’Andriampirokana rafozandahiny teo Analamanga io fanambadiana io, koa nahaleotena tanteraka ny fanjakan’Andriampirokana tao Analamanga faha Ralambo.
Nanana vady maro ny mpanjaka Ralambo nefa Rafotsimarompaniry no voalaza fa tiany indrindra. Koa "Ravoromanga" no anaram-piangotiana niantsoan-dRalambo an-dRafotsimarompaniry ary very anarana tamin'izany izy. Niterahan-dRalambo telo lahy i Ravoromanga dia Andrianambizato sy Andriambazaha ary Andriatsimitakona. Tamin’ny fahakeliny dia niara-nonina tamin-dRalambo sy Ravoromanga tao androvan’Andrianambizato izy telo mirahalahy.
Lalim-paka ny fitiavana teo amin'ny mpanjaka Ralambo sy Ravoromanga koa nifamepetra izy mivady fony fahavelon'izy roa fa tsy hisara-toerana rehefa tonga ny fodiamandrin'izy roa. Koa rehefa niamboho Ravoromanga dia tao ambany antsinanan’Ambohidrabiby amin’ny zaratanin’ny Zanakarivonivahoaka, ao Anjanakarivo andrefana, no nasian-dRalambo ny fasan-dRavoromanga. Nasain’ny mpanjaka Ralambo nanajoroana vatolahy telo milahatra teo amin'ny fasan-dRavoromanga ho fahatsiarovana sy famantarana izany fasam-badiny izany. Koa ny filazan-dRalambo tamin'izany, "na iza mandalo eo dia hahatsiaro izany fifankatiavan’izy mivady izany".

Ny Zafindravoromanga
[hanova | hanova ny fango]Vohitra ao avaratra andrefan’ny Talata Volonondry ankehitrio no nofidian-dRavoromanga koa tao no napetrany izy telo lahy zana-dRalambo tamin-dRavoromanga. Koa natao hoe Ambohitrierana ny anaran’ny vohitra nasiana azy telo lahy zanany, fa tato aoriana noho ny fiovaovan’ny fitenenana dia lasa hoe Ambohitrerana.
Tato aoriana dia nihamaro ny taranak’izy telolahy tao Ambohitrerana ka nantsoina hoe Zafindravoromanga, koa nisy tamin’izy ireo no niala teo Ambohitrerana nifindra monina tamin’ny manodidina. Ny Zafindravoromanga izay niala teo Ambohitrerana niantsinanana anefa dia nanana fifanolanana ady tany tamin’ny Zanakandrianato momba an'Ambohitraina. Niakatra androva mihintsy ny fifanolanana ka toy izao ny didin'ny mpanjaka: "Izay mahajoro faingana lelavola irainjehy no homena ny rariny". Tsy nahajoro lelavola ny Zafindravoromanga na dia maro olona tokoa aza ka voatery niala tao izy ireo ary nasain'ny mpanjaka nipetraka teo amin’ny vohitra andrefan’io. Tato aoriana, raha sendra nitsidika azy ireo ny mpanjaka Andrianampoinimerina (1787-1810) dia nahita fa niadana tao amin'ilay vohitra vaovao nifindrany ny Zanadravoromanga tao Ambohitraina koa hoy ny mpanjaka hoe olona mahitsy fo tokoa ireto Zanadravoromanga ireto. Ary novainy ho Ambohitrolomahitsy ny anaran'io vohitra vaovaon'ny Zanadravoromanga io. Lasa renivohitry ny kaominina mihitsy moa Ambohitrolomahitsy izay eo amin’ny 7km any avaratra andrefan'ny kaominina Talata Volonondry. Koa ao Ambohitrerana sy amin’ny kaominina Ambohitrolomahitsy no tena ahitana ny Zanadravoromanga.
Ny azo tsoahina kosa dia izao: endriky ny fitiavana marina nisy teo amin’ny mpivady malagasy fahizay ny tantaran’ny mpanjaka Ralambo sy Ravoromanga. Nampiaiky ny maro tokoa ny fifankatiavan-dRalambo sy Ravoromanga ary ny hatsaratarehin-dRavoromanga koa dia lasa fiteny andavanandron'ny Ntaolo hilazana olon-tiana sy lalaina ny hoe: "Ho voromanganao anie aho" sy ny hoe "Ny zanaka vorondolo tsy hitera-boromanga.". Fahizay aza, ireo izay maniry hanana tokantrano vanona dia nangataka teo amin’ny fasan-dRavoromanga tao Anjanakarivo raha sendra nandalo tao.