Dinika:Ravoromanga

Le contenu de la page n’est pas pris en charge dans d’autres langues.
Avy amin'i Wikipedia

MOMBA NY FASAN-DRAVOROMANGA

Ny tena marina, ireo "vatolahy telo milahatra nasain-dRalambo najoro eo Anjanakarivo", izay lazaina hoe fasan-dRavoromanga, dia TSY fasan-dRavoromanga velively, fa "vatolahy najoro fotsiny natao ho fahatsiarovana sy famantarana ny fasambadiny". Raha tena fasambadiny marina io, nahoana indray no atao hoe "FAHATSIAROVANA NY FASAMBADINY ?"

Rehefa noroahin'Andrianjaka hiala teo Analamanga ny mpanjaka Andriampirokana sy ireo anadahiny roalahy (Ratsimandafikarivo sy Andriambodilova), dia naleon-dRavoromanga mihitsy niala teto Analamanga sy Ankotrokoroka (Ambohidrabiby ankehitriny), na dia vady tiany tokoa aza i Ralambo. Alahelo sy ranomaso no nialany teto sy nandaozany ny fianakaviany, satria sady tsy nanome zara-tany ho an-janany i Ralambo vadiny, kanefa mbola notafihan'Andrianjaka (zana-drafiny) indray koa ny mpanjaka Andriampirokana rainy, ary novonoina sy nohenjehina sy noroahina mba hiala tamin'ny Lapany teo Analamanga. Fantatra anefa fa nisy rohim-pihavanana akaiky teo amin'i Andriandrokaroka (raiben'i Ravoromanga) sy Rangita (reniben'i Andrianjaka), satria Ramasinamparihy renin'Andriandrokaroka dia tao Alasora no teraka, kanefa dia vitan'Andrianjaka ny nanafika sy nandroaka azy ireo hiala teo Analamanaga.

Nanaraka an-dRavoromanga ireo zanany telolahy (Andrianambizato sy Andriatsimitakona ary Andriambazaha) ; vatan-dehilahy matanjaka maro koa no nanaraka azy efatra mianaka, mba hiambina ny hiaro ny ain'i Ravoromanga, satria nanenjika azy ireo avy ato aoriana ny miaramilan'Andrianjaka. Napetraka amin'ny toerana iray (Ambohitrolomahitsy) ny zaza amam-behivavy, vady aman-janak'i Andrianambizato sy Andriatsimitakona (ny Zafindravoromanga akehitriny), ary napetraka tao Ambohimiadana koa ireo taranak'i Andriambazaha (ny Zafimbazaha ankehitriny).

Dia nolazaina ankolaka indray rehefa avy eo hoe : "Resy ny Vazimba satria "lefona tanimanga" (hono) no mba fitaovam-piadiany, ka lasa nitsoaka nandositra niakandrefana". Ny tena marina anefa : "tsy niady izy ireo fa niala moramora satria tsy manana fitaovam-piadiana, ary ny olona tsy niady dia tsy azo lazaina hoe resy. Ary ankoatr'izay, lazaina fa resy ny Vazimba, Andrianjaka koa ange anefa taranaky ny Vazimba Rafohy sy Rangita.

Araka ny voalaza etsy ambony, tsy ao Anjanakarivo-Andrefan’Ambohitrabiby no misy ny fasan-dRavoromanga vadin’ny Mpanjaka Ralambo niterahany an'i Andrianambizato sy Andriatsimitakona sy Andriambazaha, fa toeran-kafa ato anatin’ny Faritany (Ex-Province) Antananarivo ihany, ary any amin’ny toerana manana haavo 1845m (altitude). Eo anilan'ny fasan-dRavoromanga ihany koa no nafenina ireo vatan-dehilahy maty noho ny fiarovana azy tamin'ny fanenjehana sy famonoana nataon'ny miaramilan'Andrianjaka.