Rafitra fitantanana votoatiny
Ny rafitra fitantanana votoatiny (RFV) (amin'ny teny anglisy: content management system) dia rindrankajy fampiharana ahafahana maneho ary mikirakira votoatiny avy amin'ivotoerana iray. Izy ireo matetika dia manamora ny fiaraha-miasa. Izy ireo dia niorina nanomboka tamin'ny taona 1990. Ampiasaina matetika amin'ny fitantanana tranonkala toa ny blaogy, na tranonkakam-baovao na koa tranombarotra an-tranonkala izy ireo. Maro dia maro ireo orinaa ary tranonkala fivarotana mampiasa rafitra fitantanana votoaitny. Ny tanjon'ny rafitra fitantanana votoatiny dia hamoana ny filàna manoratra ny renifango manontolon'ny tranonkala, na farafaharatsiny manakely izay asa fanamboaran-drafitra izay.
Zavatra hita matetika
[hanova | hanova ny fango]Ny antom-pisiana ary ny antom-pampiasanan'ny RFV dia mitahiry, mitantana ny angona ary manome tantaram-bersiônan'ny angona notahirizina. Ohatra, ny RFV dia ahafahana mitahiry sarin'ny mpampiasa azy ary mahita ireo sary rehetra izay efa notahirizin'ilay mpampiasa.