Rafitra fitantanana banky angona

Avy amin'i Wikipedia

Ny rafitra fitantanana banky angona (RFBA) (anglisy : Database Management System, teny frantsay : Système de gestion de base de donénes) dia rindrankajy rafitra izay natao hitahiry ary hizara ny fampahalalana ao anaty banky angona iray.

Ny RFBA dia hahafahana mampisoratra anarana, mahita, manova, mifantina, mamadika ary manaprinty fampahalalana ao amin'ny banky angona iray. Hahafahana mamoaka ny ambangovangon'ny fampahalalana voaiditra tao anatiny ihany koa izy io ary manana rafitra tsy hampisandrahaka ny fampahalalana tahirizina ary rafitra tsy hahaverezana ny zava-tahirizina noho ny tsifetezana ara-pitaovana. Ny RFBA ihany koa dia miantoka ny fiarovana ny fampahalalana amin'ny fampiasana tsy nahazoan-dalana.

Betsaka ireo rindrankajy fitantanana banky angona, anisan'ny malaza ary be mpampiasa amin'izy ireo ny MySQL ary Oracle Database. Manaraka ireo roa ireo i IBM.