Philippe Mélanchthon dia mpanao asa soratra ary teôlôjiana alemàna, teraka ny 16 Febroary 1497 ary maty ny 19 Aprily 1560. Manana ny mari-pahaizan' ny dôktera an-teôlôjia izy sady nampianatra tamin' ny oniversite, mpianatr' i Martin Lotera, sady fantatra indrindra tamin' ny nampandriany an-tsoratra ny Confessio Augustana (izay atao amin'ny teny malagasy hoe Konfesiona aogostana na Konfesionan' i Aogosborga) tamin'ny taona 1530, izay isan'ireo lahatsoratra manan-danja indrindra ao amin' ny loteranisma.
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.