Petera avy any Aleksandria

Avy amin'i Wikipedia

I Petera avy any Aleksandria na Piera avy any Aleksandria dia evekan'i Aleksandria sady rain'ny fiangonana (na aban'ny eglizy) tamin'ny taonjato faha-4. Nitarika ny sekoly teolojikan'i Aleksandria izy talohan'ny haha eveka azy. Tamin'ny fanenjehana kristiana nataon'i Diokletiano tamin'ny taona 303 dia nisafidy ny hiafina izy mba hanohizany ny asany ho an'ny Fiangonana, ka nitsikeran'ny pretra nanangana Fiangonana misara-bazana izay nipoiran'ny fampianaran-dison'i Ariosy. Tamin'ny taona 311 dia voasambotra izy ary voaheloka ka notapahin-doha.