Hankany amin'ny vontoatiny

Omby volavita

Avy amin'i Wikipedia

Ny omby volavita dia omby mena misy fotsy eo amin' ny handriny, ny sorony, ny lamosiny (indrindra ny trafony), ny tongokeliny sy tongobeny (eo amin' ny feny), ny tehezany ary ny rambony izay sady fotsy sasaka. Noheverin' ny Ntaolo malagasy fa izany no volon' omby tsara indrindra ka mendrika hatolotra ny mpanjaka na dia manan-tompo aza, indrindra amin' ny Alahamady.

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Mpiandry omby volavita: tsy tompony, fa mpamerin-doha.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]