Olombetsitoto

Avy amin'i Wikipedia

I Olombetsitoto (1550 - 1590), araka ny lovantsofina, dia andriana maroserana, izay nipoitra manodidina ny taona 1500 tany amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara, tao amin' ireo Mahafaly, nanjaka nandritra ny taona vitsivitsy i Olombetsitoto avy eo nitoka-monina. Amin' ireo mpanara-dia lasa faly (izany hoe "masina" na "fady"). Izy no nipoiran' ny mpanjaka mahafaly taty aoriana. Anisan’ny razamben’ny mponina mandrafitra ity foko ity i Olombetsitoto, tahaka an' Andrianalimbe koa.

Ny Maroserana dia avy amin' ny Zafiraminia. Marihina fa io tarana-mpanjaka io ihany no niavian' ny fanjakana maromaro, anisan' izany ireo Fanjakana Sakalava, ireo Fanjakana Betsileo, ary ireo Fanjakana Antanosy.

Tany amin’ ny taonjato faha-16 tany ho any no teraka ireo Fanjakana Mahafaly vokatry ny fitarihan' ny mpanjaka Olombelotsitoto. Maromaro ny niandohan' ireo mpanjaka nanjaka tao amin'io vondrom-poko io hatramin' ny niforonany.

Andriamandraha, tao Nonobe, no niteraka an' Andriamineminy, izay niteraka an' Andriatakotako, izay niteraka an' i Olombetsitoto. I Olombetsitoto no niteraka an' Andriamanafodanitse izay niteraka an' Andriambalavato, izay niteraka an' Andriamaroseranana ilay nipoiran' ny Fanjakan' i Linta sy ny Fanjakan' i Menarandra.