Nikôdemôsy

Avy amin'i Wikipedia
Mamangy an' i Jesoa i Nikôdeôsy, sary nataon' i Henry Ossawa Tanner, 1899

I Nikôdemôsy na Nikôdemo dia olona resahina ao amin' ny Testamenta Vaovao, izay vaoalaza fa fariseo sady mpikambana ao amin' ny Sinedriôna na Sanedrina izay voatarika hihaino ny fampianaran' i Jesoa. Anisan' ireo mpianatr' i Jesoa voalohany izy. Voatonona amin' ny toerana telo ao amin' ny Evanjelin' i Joany izy. Tonga nihaino ny fampianaran' i Jesoa izy (Joa 3:1-21), niaro azy tamin' ny fampijalian' ny Fariseo izy (Joa 7:45-51), nanampy an’ i Jôsefa avy any Arimatea izy nandritra ny fampidinana an' i Jesoa avy amin' ny hazo fijaliana sy nandritra ny fandevenana azy (Joa 19:39-42).