Nebokadnetsara III

Avy amin'i Wikipedia
I Nebokadnetsara III sy ny soratra mifandraika amin' izany ao amin'ny Soratsokitr' i Behistun nataon' i Dariôsy I

I Nebokadnetsara III na Nebokadnezara III na Nabokôdônôzôra III dia andrianan' i Babilôna (teo amin' ny taona 522 tal. J.K.). Nilaza izy fa zanakalahy faharoan' i Nabônida faharoa izy. Nitarika fikomiana fohy tamin' i Dariôsy I izy, izay nandefa ny tafiny hiady tao Tigra, tamin' ny 13 Desambra 522 tal. J.K., avy eo nankany Eofrata akaikin' i Zazannu. Nandositra nankany an-drenivohitra i Nebokadnetsara III niaraka tamin' ny mpitaingin-tsoavaly sisa.

Avy eo i Dariôsy dia nanao fahirano ny tanànan' i Babilôna ambony voaro manda, ka azony tsara ny renivohitra, ary novonoina ho faty i Nebokadnetsara III. Tsy fantatra mazava ny tena momba an' i Nebokadnetsara III. Araka ny soratsokitra tao Behistun, i Dariôsy dia nilaza fa mpisandoka antsoina hoe Nidinta-Bel izy, saingy misy mpahay tantara mihevitra azy ho nanana fifandraisana amin' ny fianakavian' ny mpanjaka babilôniana teo aloha.

Tsy tokony hafangaro amin' i Nebokadnetsara IV izy, izay nitarika fikomiana mitovy amin' izany tamin' ny Persiana, herintaona teo ho eo tatỳ aoriana.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny fiteny babilôniana dia Nabûkudurrîutsur no fiantsoana an' i Nebokadnetsara. Avy amin' ny fehezanteny akadiana hoe Nabou-kudurri-usur ny anaran' i Nebokadnetsara. Io dia midika hoe "Ry Nabu, arovy ny lahimatoako!". I Nabu dia andriamanitry ny fahendrena babilôniana sady zanaky ny andriamanitra Mardoka (Marduk).   

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]