Nea Salamis Famagusta FC

Avy amin'i Wikipedia

Nea Salamis Famagusta FC (amin'ny fiteny grika : Νέα Σαλαμίνα Αμμοχώστου) dia klioba baolina kitra matianina ao Ammochostos (na Famagusta) ao amin'ny Repoblikan'i Kipra. Izy io dia klioba sesintany nanomboka tamin'ny nanafihan'ny tiorka an'i Kipra tamin'ny 1974. Nifindra fonenana ho tao Larnaca ilay klioba.

Ny fahavitan'ny Nea Salamina misongadina indrindra dia ny fandresena tao amin'ny Kaopy Kipriôty ary ny Super Kaopy Kiprioty tamin'ny 1990. Ny laharana namaranany ambony indrindra tao amin'ny Fizarana Voalohany Kiprioty dia laharana fahatelo. Nifaninana tamin'ny kliobe eoropeanina hafa izy tamin'ny 1990 tamin'ny alalan'ny Kaopim-pandresy Eoropeanina ary nilalao tao amin'ny Kaopy Intertoto UEFA tamin'ny 1995, 1997 ary 2000. Ilay ekipa dia ao amin'ny kliobam-panatanjahantena Nea Salamina Famagusta, izay noforonina tamin'ny 1948, izay manana ekipa volley-ball ihany koa. Ny anaran'ilay klioba dia avy amin'ny tanàna kiprioty taloha, Salamis na Salamina, izay eo akaikin'i Famagusta ankehitriny (« Vaovao » no dikan'i « Nea » amin'ny fiteny grika).