Menabe (tany)

Avy amin'i Wikipedia

Ny menabe dia ampahan-tany iadidian' ny mpanjaka mivantana fa tsy ankininy amin' ny andriana (tompomenakely na tompombodivona). Mifanohitra amin' io ny menakely izay tany iadidian' ny andriana na dia eo ambany fanapahan' ny mpanjaka aza.

Ny menabe tao Imerina[hanova | hanova ny fango]

Ny menabe, tao amin' ny fanjakan' Imerina, dia ny faritra nisy ny vohitra rehetra sy ny vahoaka teo ambany fahefan’ ny andriamanjaka mivantana ka ny foibeny dia Antananarivo. Ny mponina tamin’ izany faritra izany dia nantsoina koa hoe "menabe". Rehefa niamboho Andriamasinavalona, dia samy nanjaka tamin’ ny vodivona nisy azy avy izy ny zanany efa-dahy, nihazakazaka samy nanao menabe ny faritra natolotra hanjakan’ izy ireo tsirairay. Ireto ny menabe tamin’ izany: Antananarivo, Ambohimanga, Ambohidratrimo ary i Alasora.