Menakely (tany)

Avy amin'i Wikipedia

Ny menakely na vodivona dia ampahan-tany tapahin' ny mpajaka nefa iadidian' ny andriana votendriny, ka io andriana io no atao hoe tompomenakely na tompombodivona. Mifanohitra amin' io ny menabe izay tany iadidian' ny mpanjaka mivantana.

Ny menakely tao Imerina[hanova | hanova ny fango]

Ny menakely tao amin' ny fanjakan' Imerina dia faritra kely iray ao anatin’ ny menabe nefa anjakana ny tompombodivona (na tompomenakely) sy ny fianakaviany izay avy amin’ ny foko andriamasinavalona. Ny mponina ao amin’ izany faritra izany dia nantsoina hoe "menakely" ihany koa.