Hankany amin'ny vontoatiny

Max Weber

Avy amin'i Wikipedia
Max Weber
Ankapobeny
AnaranaMax Weber
Teraka21 Aprily 1864
Toerana-
Maty14 Jiona 1920
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaAlemaina
Asa :
Fiainana manokana

I Max Weber dia mpahay fiarahamonina sy mpahay toekarena ary filôzôfy alemana niofana momba ny lalàna tany am-boalohany. Teraka tamin' ny 21 Avrily 1864 tao Erfurt, tao amin' ny Fanjakan' i Prussia izy, ary maty tamin' ny 14 Jona 1920 tao Munich.

Heverina ho anisan' ny mpanorina ny sôsiôlôjia i Weber. Liana tamin' ny hevitra sy ny lanja omen' ny olona ny hetsika sy ny asan' izy ireo izy. Noho izany, amin' ity fomba fijery ity, ny hetsika ara-piarahamonina dia tsy maintsy takarina amin' ny fomba fijery ny heviny sy ny soatoavina fa tsy amin' ny alalan' ny teritery ara-piarahamonina avy ety ivelany (izany hoe rafitra ara-piarahamonina sy ara-materialy isan-karazany). Izany no mampiavaka azy amin' i Émile Durkheim, izay mpanorina ny sôsiôlôjia koa. Ny sôsiôlôjian' i Weber dia tsy vitan' ny hoe mampivoitra ny hevitra sy ny lanja omen' ny olona ny asa aman-ketsika fotsiny, fa miorina ihany koa amin' ny tantara, amin' ny fampitahana, amin' ny toe-javatra manodidina ary amjn' ny fisian' ny antony maro.

Namoaka asa lehibe roa izy: Die protestantische Ethik und der Geist des Kapitalismus (1905) ary Wirtschaft und Gesellschaft (1922), izay nadika amin' ny teny frantsay hoe L'Éthique protestante et l'Esprit du capitalisme sy Économie et société, na amin' ny teny anglisy hoe The Protestant Ethic and the Spirit of Capitalism sy Economy and Society.

Ho fanampin' ny asa fikarohana nataony, dia nandray anjara amin' ny hetsika ara-pôlitika i Weber, indrindra fa tamin' ny famolavolana ny Lalampanorenan' i Weimar ho an' ny Repoblikan' i Weimar tamin' ny taona 1919. Taorian' ny nahafatesany, i Marianne Schnitger, izay vadiny sy sôsiôlôga ary fanta-daza amin' ny fanohanany ny vehivavy (feminista), dia namoaka ny sora-tanana farany nataon' i Weber.

Ny fiainany manokana

[hanova | hanova ny fango]

I Max Weber Sr. no rainy. Ny vadiny dia i Marianne Weber. I Alfred Weber no rahalahiny.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.