Martiora

Avy amin'i Wikipedia
Fitokavana ny Maritiora Iray Alina (Marter der zehntausend Christen), sary hosodoko tamin' ny taona 1508 nataon' i Albrecht Dürer, Vienne, Museum Kunsthistorisches.

Ny maritiora na maritira dia olona novonoina tamin' ny alalan' ny fampijaliana natao mba hampiala azy amin' ny finoany, nefa tsy miala amin' izany. Avy amin' ny teny grika hoe μάρτυς / mártus, izay midika hoe "vavolombelona", izany.

Tany am-boalohany, io teny io dia tao amin' ny voambolan' ny kristianisma voalohany. Tamin' ny Andro Antenatenany dia nampiasaina koa ny endrika hoe "martre". Hita amin' ny anaran' ny "Montmartre", izay midika hoe "Tendrombohitry ny Maritiora" izany.

Ny teny hoe "maritiora" na "maritira" indraindray dia ampiasaina amin' ny heviny malalaka kokoa amin' ny olona niharam-boina tamin' ny fanaovana sorona ny ainy noho ny antony iray, ohatra amin' izany ny maritioran' ny fahafahana.