Elizabeta (renin' i Joany): Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Olona resahina ao amin'ny Baiboly
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 13 Oktobra 2019 à 11:38

I Elizabeta dia renin'i Joany mpanao batisa sady vadin'i Zakaria. I Elizabeta dia resahina ao amin'ny Baiboly ao amin'ny Evanjelin'i Lioka ao amin'ny toko voalohany. Vehivavy efa be taona izy, zanaky ny mpiray tampo izy sy i Maria, vadin'i Zakaria. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe אֱלִישֶׁבַע / ʾĔlîšéḇaʿ na אֱלִישָׁבַע / ʾĔlîšāḇaʿ izay midika hoe "Nianiana ny Andriamanitro". Vakina hoe Elišévaʿ na Elišávaʿ io anarana io amin'ny teny hebreo ankehitriny. Amin'ny teny grika dia atao hoe Ἐλισάβετ / Elisabet izany. Amin'ny teny arabo dia atao hoe أليصابات / Alyassabat i Elizabeta.

Nanambara tamin'i Zakaria ny hiterahany zazalahy ny anjaly Gabriela/Gabriely, izany zaza izany no ho tonga mpaminany aty aoriana, dia i Joany Batista (na Jaona mpanao batisa).

Rehefa novangian'i Maria i Elizabeta (Lio. 1.39-56) dia niarahaba azy i Elizabeta ("Arahaba ry Maria ...") ary hira fiderana an'Andriamanitra i Maria kanivavaka. Ankalazain'ny Katolika indrindra izany vavaka izany. Milaza ny Evanjely fa tsy mpisorona fotsiny ihany i Zakaria, fa i Elizabeta koa dia mbola taranak'i Aarona (Lio. 1.5). Araka izany dia tokony ho taranak'i Aarona koa i Maria. Nanjary moana i Zakaria taorian'ny fanambaràn'ny anjely ka i Elizabeta no nilaza ny anaran'i Joany (Lio. 1.60-64).