Lamà fotsy
Apparence
(tonga teto avy amin'ny Làma)
Ny lamà fotsy, na lamà fotsiny, dia karazana ao amin' ny Camelidae any Amerika Atsimo, saingy avy any Amerika Avaratra ny fiaviany lavitra, izay nanjavonany tamin' ny Vanim-potoanan' ny Eôkena. Ny anarany ara-tsiansa dia Lama glama. Efa hatry ny ela no namolahana azy hompina avy amin' ny goanakô. Nanome zana-karazany maromaro avahan' ny volony lava na fohy ny fifantenana nataon' ny mpiompy. Nampiasaina betsaka ho hena sy biby fiompy ao amin' ny kolontsaina Inka hatramin' ny vanim-potoanan' ny Amerika Kôlômbiana ny lamà. Biby mira-miaina ny lamà ary miara-miaina amin' ny karazam-biby hafa toy ny omby.