Aller au contenu

Louis Armstrong

Avy amin'i Wikipedia
Louis Daniel Armstrong
Ankapobeny
Anarana Louis Daniel Armstrong
Teraka 04 Jolay 1901
Maty 06 Jolay 1971
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Etazonia
Asa :
  • mpitendry mozika
  • mpilalao sarimihetsika
Fiainana manokana

Louis Daniel Armstrong no anarany feno. Heverina ho teraka ny 04 Jolay 1901 tao New Orleans izy ary maty ny 06 Jolay 1971 tao New York ary Amerikana mainty hoditra mizaka ny zom-pirenen'i Etazonia. Iray amin'ireo mpanakanto jazz malaza indrindra sy nanova ny tantaran’ny mozika tamin’ny taonjato faha-20 i Louis Armstrong. Nanana fahaizana tsy manam-paharoa amin’ny fitsofana trompetra, trompetra fohy ary ny fandrindrana mozika i Louis Armstrong, ary nahafantarana azy koa ny fananany feo matanjaka sy manintona. Ankoatra izay dia efa nilalao sarimihetsika ihany koa ny tenany.

Fiainany sy asany

[hanova | hanova ny fango]

Ny tanànan'i New Orleans, izay renivohitry ny mozika jazz, no nahalehibe azy. Nisandratra ny lazany teo ho eo amin’ny faha-20 taonany noho ny fahaizany mitendry jazz sy ny mamorona tampotampoka eny antenantenan-kira eny. Anisan'ny hira amantarana azy ny What a Wonderful World, Hello, Dolly!, ary ny La Vie en Rose.

Fiantraikany sy lova

[hanova | hanova ny fango]

Nandray anjara lehibe tamin’ny fanandratana ny jazz (fr | en) ho mozika malaza eran’izao tontolo izao i Armstrong. Nampiavaka azy ny fahaizany mampiditra hatsikana sy fahatsorana amin’ny mozika. Voamarika ihany koa ny fandraisany anjara tamin’ny tolona ho amin’ny zon’olombelona.

Maty tamin’ny taona 1971 izy noho ny aretim-po, saingy namela dindo manokana izy tamin’ny alalan’ny mozikany sy tamin’ny jazz ary tamin'ny mozika ankapobeny.

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.