Leôna any Akridôsy

Avy amin'i Wikipedia

I Leôna any Arkidôsy na Leô any Ôrhida dia mpitondra fiangonana bizantina, arsevekan' i Arkidôsy (1037–1056), tamin' ny taonjato faha-11 ary mpiaro ny fomba fijerin' ny Patriarkata Ekiomenikan' i Kônstantinôpla tamin' ny fifandirana ara-teôlôjia tamin' ny evekan' i Rôma, fifandirana izay niafara tamin' ny Fisarahan' ny Fiangonana Tatsinanana sy Tandrefana tamin' ny taona 1054. Maty tamin' ny taona1056 izy. Atao hoe Λέων Άχρίδος / Léôn Akhridos izy amin' ny teny grika.