Hankany amin'ny vontoatiny

Lavitrisa

Avy amin'i Wikipedia

Ny iray lavitrisa na 1 000 000 000 dia isa nanahary izay mitovy amin' ny folo ampitomboina amin' ny tenany intsivy (10 × 10 × 10 × 10 × 10 × 10 × 10 × 10 × 10). Mitentina arivo tapitrisa ity isa ity. Ao amin' ny Rafitra Iraisam-Pirenena momba ny Venty, ny lavitrisa dia tondroina amin' ny litera G (giga).

Misy ny Malagasy tsy mahazoazo ny anaran' io isa io izay misafidy ny teny frantsay nohagasina hoe "miliara" satria tsy nisy teo amin' ny Ntaolo malagasy ny teny hoe "lavitrisa" satria tapitra hatreo amin' ny hoe "tapitrisa" hono ny fanisana amin' ny teny malagasy madiodio.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]