Hankany amin'ny vontoatiny

Laura Innes

Avy amin'i Wikipedia
Laura Innes
Ankapobeny
AnaranaLaura Innes
Teraka16 Aogositra 1957
Toerana-
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaEtazonia
Asa :
Fiainana manokana

Laura Innes dia mpilalao amin'ny fahitalavitra, mpilalao, talen-koronantsary mizaka ny zom-pirenena Amerikana, Etazonia teraka ny 16 Aogositra 1957 tao Pontiac, Michigan

Tantaram-piainana

[hanova | hanova ny fango]

Laura Elizabeth Innes no zandriny indrindra amin'ireo enina mianadahy naterak'i Laurette sy Robert Innes (izay maty tamin'ny 1995).

Nahafantatra ny teatra izy fony mbola kely nandritra ny Fetiben'i Stratford Shakespeare tao Ontario. Nanapa-kevitra ny hanohy ny fianarana bakalorea amin'ny taranja teatra tao amin'ny Oniversiten'i Northwestern izy avy eo, izay mpikambana tao amin'ny vondrona Alpha Chi Omega ihany koa. Tao no nihaonany tamin'i Megan Mullally, izay niseho tao amin'ny Will & Grace.

Nanomboka ny asany tamin'ny teatra izy tamin'ny taona 1980, indrindra fa nilalao ny anjara asan'i Stella tao amin'ny A Streetcar Named Desire, niaraka tamin'i John Malkovich. Fotoana fohy taorian'izay, nanomboka niseho tamin'ny andian-tantara amin'ny fahitalavitra toy ny Hey Dude an'i Ross Bagwell sy ny Wings an'i David Angell izy, ary koa tamin'ny sarimihetsika amin'ny fahitalavitra toy ny The Price of a Life an'i Sam Pillsbury. Saingy ny anjara asany tao amin'ny andian-tantara ER no nahatonga azy ho kintana tamin'ny 1995. Nilalao an'i Kerry Weaver, dokotera lesbiana matanjaka izy.

Tamin'ny faramparan'ny taona 1990, nilalao anjara kely tamin'ny sarimihetsika toa ny Deep Impact, notarihin'i Mimi Leder izy.

Niasa tao ambadiky ny fakantsary ihany koa izy, nitarika fizarana tao amin'ny ER sy The West Wing, andian-tantara malaza iray hafa.

Nanomboka tamin'ny taona 1988, nanambady an'i David Brisbin (izay milalao ny Dr. Alex Babcock ao amin'ny ER) izy, ary manan-janaka roa izy ireo: Cal, teraka tamin'ny taona 1990, sy Mia, zazavavy sinoa natsangana tamin'ny Aprily 2002. Mipetraka any Los Angeles izy ireo ankehitriny.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  • Ao amin'i Freebase:
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.