Latabatra maro bokotra

Ny Latabatra maro bokotra na ny Vata mampifangaro (amin'ny teny Frantsay : Table de mixage), dia fitaovana entina hitahirizana sy hamokarana ny feo na zava-maneno, fampifangaroana ny feo maro samihafa koa izy io, misy karazany roa ny Latabatra maro bokotra dia ny analôjika sy nomerika, izany hoe afaka manao feon-javatra analôjika sy nomerika izy.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Ny Latabatra maro bokotra dia fitaovana nampiasaina voalohany teo amin'ny sehatra famokarana ny Radiô, nanomboka tany amin'ny voalohan'ny taona 1930 no nampiasana io fitaovana io.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]
Maro no azo ampiasàna ny latabatra maro bokotra: asa matianina toy ny fampielezampeo, fety anivon'ny fianakaviana na fikambanana, trano fampandihizana, trano famokarana mozika fantatra amin'ny hoe "studio".
Ampiasaina indrindra ho amin'ny fanafangaroana sy fampifandanjàna ny feo isankarazany izy, [1] Feo samihafa no atsofoka hifangaro, ary alahatra sy/na avoaka amin'ny endriny "mono" na "stéréo" kosa indray.
Rehefa vita ny fanafangaroana dia manana safidy ny mpampiasa azy, na hanapariaka avy hatrany ny feo, na handefa azy handalo fanamafisana (amplificateur)[2]
