Teknôlôjia


Ny teknôlôjia dia fanaovana, fanovana, fampiasana ary fahalalana ny fitaovana, ny milina, ny fahaizana, ary fomba firafetana, ho an' ny famahana olana, fanatsarana ny vahaolana na mahatakatra tanjona. Manomboka amin' ny fampiasana ny zavatra hita ho fitaovana ny teknôlôjia.
Ny hanamora ny fiainan' ny olona no tanjon' ny zavatra namboarina vokatry ny teknôlôjia. Nampitombo ny habetsaky ny sakafo azo hanina, ohatra, ny fahafahan' ny olombelona mifehy ny afo, ary ny fahitana ny kodiarana no nanampy ny olombelona tamin' ny fandehanana lavitra sy tamin' ny fifehezana ny tontolo iainana. Nanamora ny vidin' ny fahaizana ary ahafahan' ny olombelona mifandray moramora kokoa ny fahitana vao haingana ny telefônina, ny aterineto na ny fanontana printy. Na dia izany aza dia tsy natao hanampy ny olona foana ny tanjon' ny teknôlôjia; nivoatra hatrany koa ny fitaovam-piadiana be fahafahana manimba, manomboka amin' ny kibay hatramin' ny fitaovam-piadiana nokleary.