Olika voafintina anaty

Avy amin'i Wikipedia
Olika voafintina anaty (tahiry EPROM)

Ny olika voafintina anaty (OVA) (amin'ny teny anglisy : integrated circuit) dia olik'aratra nafintina mba hitana anaty velarana kely. Ny mpampita aratra ikorian'ny rio anatin'io olik'aratra io dia mpampita tapany (amin'ny teny frantsay : semi-conducteur), izay vita silisiôma.

Ankehitriny dia feno olika voafintina anaty ny fitaovana haikoriam-boanaratra ary anisan'ny nampivoatra be ny haikoriam-boanaratra ny fampiasana ireo olika voafintina ireo. Manomboka amin'ny finday ampiasaina hatrany amin'ny fitaovana fanaovana raharaha an-trano dia misy olika voafintina anaty.

Mety ahitana tirazisitôro hatrany amin'ny iray miliara ny OVA izay manana velarana latsaky ny iray santimetatra toradroa. Arakaraky ny mampivoatra ny teknolojia dia mihakely hatrany ny velarana ilain'ny tirazisitôro iray. Latsaka tambanin'ny 100 nanometatra ny hanifiny tamin'ny 2008 ary ho latsaky ny 50 nanometatra ny hanifiny amin'ny 2013.[1]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.