Kirena

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Sisam-paharavan'ny tempolin'ny andriamanitra Zeosy tao amin'ny tanànan'i Kirena.

I Kirena na Sirena dia tanàna tany Kirenaika (na Sirenaika) sady tanàna tranainy indrindra sy lehibe indrindra tamin'ireo tanàna dimy ao amin'ny toerana nonenan'ny voanjo grika tao amin'io faritra io izay efa nonenan'ireo Libiana taloha. Ny anaran'io tanàna io no nahazoana ny anaran'i Kirenaika na Sirenaika, izay nanjakazaka teo anelanelan'ny taonjato faha-7 tal. J.K. sy faha-5 taor. J.K.

Io tanàna grika taloha io dia niorina nifanila amin'ny misy ny tanànan'i Shahhat ao Libia ankehitriny. Evekea (na evesea) taloha i Kirena ka nanomboka tamin'ny taonjato fafa-4 taor. J.K. dia tanàna tao amin'ny lohasaha nandroso haingana tao amin'ireo tany avon'i Djebel Akhdar ("Tendrombohitra Maitso") eo amin'ny lembalemba manana haavo 600 m sy 10 km manalavitra an'i Mediteranea.

Nihalao i Kirena tamin'ny andro bizantina ka tsy nisy mponina intsony tamin'ny fiandohan'ny Andro Antenantenany. Niorina ny tanàna vaovao Shahhat tamin'ny taona 1970 ao atsimon'ny nisy an'i Kirena.