Kilimandjaro
Ny Kilimanjaro na Kilimandjaro dia tendrombohitra any avaratra atsinanan'i Tanzania vita afotroa telo efa maty : ny Shira any Andrefana, manan-kaabo 5 149 metatra ary ny Kibo (tenenina hoe kibô) ny tena tanora indrindra amin'ireo telo ireo, eo anelanelan'ny tendrona Uhuru, manan-kaabo 5 891,8 metatra, ny tendrombohitra avo indrindra any Afrika. Ankoatran'io tondro io, ny kilimanjaro dia fantatra amin'ny ranomandriny any an-tampon-tendrombohitra am-pihemorana nandritra ity taonjato faha 20 ity ary mety hanjavona tanteraka afaka folo na efa-polo taona. Ny latsak'oram-panala no anisan'ny antony, fa ny fandringanana ny ala koa no anisan'ny anona (facteur). Na dia natsangana tamin'ny 1973 aza ny valan-javaboahary, mihakely hatrany hatrany ny fehin'ala.
Ny lalana mora indrindra mankany an-tampon'ny tendrombohitra dia lalana Lemosho mandritra ny 8 andro.[1]
Jeografia[hanova | hanova ny fango]
Etimôlôjia sy tôpônimia[hanova | hanova ny fango]
Ny anarana ampiasain amba hanono ilay tendrombohitra dia soratana hoe « Kilimandjaro » amin'ny fiteny frantsay ary « Kilimanjaro » amin'ny fiteny anglisy. Amin'ny fiteny maa, ny anarany dia Ol Doinyo Oibor midika « tandrombohitra fotsy ». Ny anarany ankehitriny dia nalaina avy amin'ny fiteny soahily Kilima Njaro tamin'ny 1860.