Kanaana (zanak' i Nôa)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Kanaana (zanak'i Noa))

I Kanaana dia olona reshina ao amin' ny boky masin' ny silamo, dia ny Kor'any, izay ambarany fa zanak' i Nôa (na Nôe; arabo: نوح / Nûḥ). Atao hoe Kanaana zanak' i Nôa na Iamo zanak' i Nôa izy. Zanaka fahefatr' i Nôa nanaraka an' i Sema sy i Hama ary i Jafeta i Kanaana. Ny Baiboly anefa tsy mahalala afa-tsy ireo zanaka telon' i Nôa fa i Kanaana kosa dia zafikeliny, zanak' i Hama. Araka ny finoana silamo dia olona tsy mino an' Andriamanitra i Kanaana ka maty an-drano tamin' ny Safodrano nadripahana ireo izay tsy nino ny tenin' i Nôa.

Ny nahafatesany araka ny Kor'any[hanova | hanova ny fango]

Izao no voasoratra ao amin' ny Kor'any momba ny nahafatesan' i Kanaana:

"Niantso ilay zanany izay nitoetra teo amin' ny tany i Nôa nanao hoe: "Ry zanako, midira miaraka aminay fa aza miara-mitoetra amin' ny tsy mino." Namaly i Kanaana hoe: "Hankeny amin' ny tendrombohitra hialofako tsy ho azon' ny rano aho". Hoy i Nôa: "Tsy misy olona afa-miala amin' ny famaizan' Andriamanitra, afa-tsy ireo izay ampamirapiratany ny famindram-pony." Dia nisavoana ny rano ka nitelina ny olona rehetra."

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]