Kalifata Almôhada

Avy amin'i Wikipedia
Ny Kalifata Almôhada tamin' ny faratampon' tanjany tamin'ny taona 1180–1212

Ny Kalifata Almôhada dia kalifata berbera tao Afrika Avaratra niorina tamin' ny taonjato faha-12. Rehefa tonga tamin’ ny fara tapon' ny tanjany izy dia nifehy ny ankamaroan’ ny Saikanosy Iberika (Al-Andalus) sy i Afrika Avaratra (Maghreb). Amin' ny teny arabo ity kalifata ity dia atao hoe خِلَافَةُ ٱلْمُوَحِّدِينَ na دَوْلَةُ ٱلْمُوَحِّدِينَ na ٱلدَّوْل َةُ ٱلْمُوَحِّدِيَّةُ, avy amin’ ny hoe ٱلْمُوَحِّدُونَ / al-Muwaḥḥidūn, izay midika ara-bakiteny hoe "ireo izay manambara ny maha iray an' Andriamanitra".

Ny hetsika almôhada dia naorin' i Ibn Tumart tao amin' ireo fokom-pirenena Masmoda izay Berbera, fa ny Kalifata Almôhada sy ny tarana-mpanjakany dia naorin' i Abd al-Mu'min al-Gumi taorian' ny nahafatesany. Manodidina ny taona 1120 dia i Ibn Tumart no nanangana fanjakana berbera voalohany tao Tinmel ao amin' ny Tendrombohitra Atlas. Tamin' ny andron' i Abd al-Mu'min (taona 1130–1163) dia nanongana ny tarana-mpanjaka Almôravida nitondra an' i Marôka tamin' ny taona 1147 izy ireo, rehefa nandresy sy naka an' i Marrakesh izy ary nanambara ny tenany ho kalifa. Nanitatra ny fahefany tamin' i Maghreb manontolo izy ireo tamin' ny taona 1159. Tsy ela dia nanaraka izany i Al-Andalus, ary tamin' ny taona 1172 dia teo ambany fitondran' ny Almôhada manontolo i Iberia nofehezin' ny Mozilmana.

Tonga tamin' ny taona 1212 ny kihon-dalan' ny fisian' izy ireo tao amin' ny Saikinosy Iberiana, rehefa resy i Muhammad III, "al-Nasir" (1199–1214) tamin' ny ady tao Las Navas de Tolosa tao Sierra Morena tamin' ny alalan' ny firaisan' ny tafika kristiana avy any Castile, any Aragon ary any Navarre. Ny ankamaroan' ny tanin' i al-Andalus sisa dia very tao anatin' ny taompolo maromaro nanaraka, ka ny tanànan' i Córdoba sy i Seville dia resin' ny Kristiana tamin' ny taona 1236 sy 1248 avy.

Nanohy nanapaka tany Afrika ny Almôhada mandra-pahatongan' ny fahaverezan' ny taniny tamin' ny alalan' ny fikomian' ny foko sy distrika maro ka nahatonga ny firongatry ny fahavalon' izy ireo izay nahomby indrindra, dia ny Marinida, avy any amin' ny tapany avaratr' i Marôka tamin' ny taona 1215. Ny sisa farany tamin' ilay taranaka, i Idris al-Wathiq, dia nafindra ho any Marrakesh, izay namonoan' ny andevo iray azy tamin' ny taona 1269; notafihin' ny Marinida i Marrakesh ka lasany, ary izany no namarana ny fitondran' ny Almôhada ny tapany andrefana amin' i Maghreb.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]