Kafe (voany)

Ny kafe na voan-kafe dia voa avy amin'ny zavamaniry kafe (Coffea) ary loharano ahazoana ny kafe fisotro. Io no voa ao anaty hodiny mena na volomparasy. Matetika ny voan-kafe ao anaty hodiny dia mizara roa izay samy misy sisiny fisaka. Vitsy amin'ny voan-kafe no tsy mizara roa fa tokana.
Ny karazana kafe roa manan-danja indrindra eo amin'ny toekarena dia ny arabica sy ny robusta; eo ho eo amin' ny 60% amin' ny kafe vokarina maneran-tany dia arabica ary eo ho eo amin' ny 40% dia robusta. Ny kafe arabica dia misy kafeinina 0,8 hatramin' ny 1,4% ary kafe robusta kosa dia misy kafeinina 1,7 hatramin' ny 4,0%. Anisan'ny zava-pisotro be mpampiasa indrindra eran'izao tontolo izao ny kafe, noho izany ny voan-kafe dia voly ara-toekarena sy vokatra fanondrana lehibe, izay mahatratra 50% amin'ny vola vahiny miditra ao amin' ny firenena an-dalam-pandrosoana sasany. Izany no nahatonga ny kafe ho zava-dehibe eo amin'ny kolontsaina sy ny sakafo manerana izao tontolo izao.
Tamin'ny taona 2017, ny 70% amin' ny totalin'ny famokarana kafe no naondrana, izay nitentina 19,9 lavitrisa dôlara amerikana. Ny indostrian'ny kafe eran-tany dia lehibe sy mitentina 495,50 lavitrisa dôlara tamin'ny taona 2023, i Brezila no mpamokatra kafe fisotro sy voan-kafe lehibe indrindra. Ny tena mpanondrana voan-kafe hafa dia i Kôlômbia sy i Vietnamy ary i Etiôpia.