Kônsily tao Clermont tamin' ny taona 1095

Avy amin'i Wikipedia
Toriteny nataon' ny papa Orbano II tao amin' ny Kônsilin' i Clermont.

Ny Kônsily tao Clermont (Clermont-Ferrand ankehitriny) dia natao tany amin' ny faritr' i Auvergne (any Frantsa) tamin' ny taona 1095. Ny papa Orbano II dia nampivory izany mba hiatrehana ny olana maro momba ny fitsipi-pifehezana ara-pivavahana, taorian' ny Kônsily tao Plaisance (tany Italia) izay natao enim-bolana talohan' izay, saingy iray amin' ireo zavatra nisongadina tamin' io kônsily io ny antson' i Orbano II tamin' ny andriana ao amin' ny Tontolo Kristiana, izay nangataka azy ireo hiady amin' ny Tiorka izay nandrahona ny Empira Bizantina sy hanafaka ireo toerana masina nobodoin’ ny Mozilmana.