Justus Jonas

Avy amin'i Wikipedia
Justus Jonas

I Justus Jonas dia teôlôjiana loterana alemàna sady refôrmatora, teraka tamin' ny 5 Jona 1493 tao Nordhausen any Thuringia, ary maty tamin' ny 9 Ôktôbra 1555 any Eisfeld, mbola any Thuringia. Izy dia mpahay lalàna sy prôfesora ary mpanoratra hira fiderana. Nalaza indrindra izy tamin' ny fandikany ny asa soratr' i Martin Lotera sy i Philipp Melanchthon. Niaraka tamin' i Martin Lotera izy tamin' ny fotoana farany niainany.