Jiny (fikambanana miafina)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Jiny na JINY dia fikambanana miafina nikambanan' i Monja Jaona hanoherana ny mpanjanatany frantsay. teo anelanelan' ny taona 1943 sy 1947. Nagazo ny fanalavana hoe "Jeunesse Nationaliste", ny Jiny.

Fiforona-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny anarana hoe Jiny dia avy amin' ny anaran' ny vorona atao hoe jiny dia vorona mpandeha alina izay tsy mivoaka raha tsy eo anelanelan' ny amin' ny 5 na amin' ny 6 ora hariva. Natao fanafohezan-teny io anarana io ka nomena fanalavana hoe: "Jeunesse nationalistes" ("Tanora tia tanindrazana"). Io anarana io dia noraisin' ny mpanorina an' ilay fikambanana mba hampisehoana fa mitolona amin' ny fomba miafina ny mpikambana ao aminy.

Mombamomba ilay fikambanana[hanova | hanova ny fango]

Ny Jiny dia niforona tao Manakara tamin’ ny taona 1943. Avy avy any ambanivohitra sy mpikambana taloha tao amin’ ny V.V.S. no mpitarika azy. Anisan' ny fikambanana miafina nisongadina niaraka tamin' ny Vy Vato Sakelika (VVS.) sy ny Parti National Malgache (PANAMA.) ny Jiny. Io fikambanana io sy ny PANAMA no tena mpanentana ny tolom-bahoaka malagasy tamin' ny taona 1947.

Ny Jiny sy ny PANAMA no niandraikitra ny vahoaka nasiônalista izay nitaky fahaleovantena tanteraka sy eo no ho eo. Nanao fampielezan-kevitra tamin' ny taona 1945 hanohanana ny firotsahan-kofidin' i Joseph Raseta sy i Joseph Ravoahangy ho ao amin' ny Antenimieram-panorenana voalohany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]