Jerosalema Andrefana

Avy amin'i Wikipedia

I Jerosalema Andrefana dia ampahany amin' i Jerosalema izay nofehezin' i Israely tamin' ny fiafaran' ny Ady Arabo-Israeliana tamin' ny taona 1948. Satria nozaraina tamin' ny alalan' ilay atao hoe "Tsipika Maitso" ilay tanàna (napetraky ny fifanarahana momba ny fampitsaharana ady tamin' ny taona 1949), i Jerosalema Andrefana dia nofaritana tamin' ny fomba ôfisialy hifamakly amin' i Jerosalema Atsinanana, izay nofehezin' i Jôrdania.

Amin' ny teny hebreo i Jerosalema Andrefana dia atao hoe מַעֲרַב יְרוּשָׁלַיִם / Ma'aráv Yerushaláyim; fa amin' ny teny arabo dia القدس الغربية / al-Quds al-Ġarbiyyah.

Na dia nifehy an' i Jerosalema manontolo aza i Israely nanomboka tamin' ny Adin' ny Arabo sy ny Israeliana tamin' ny taona 1967, ny sisin-tany manasaraka an' i Jerosalema Andrefana sy i Jerosalema Atsinanana dia mbola eken' ny fianakaviambe iraisam-pirenena ho ara-dalàna noho ny maha zava-dehibe azy ireo amin' ny dingam-pirosoana amin' ny famaritana ny satan' i Jerosalema, izay anisan' ny zavatra voalohany mlanan-danja indrindra momba ny disadisa eo amin' ny Arabo sy ny Israeliana sy ny disadisa eo amin' ny Israeliana sy ny Palestiniana.

Afa-tsy amin' ny tranga maningana sasany, i Jerosalema tsy mivaky dia tsy ankatoavin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena ho fari-tanin' i Israely na fari-tanin' i Palestina. Na izany aza, ny fanekena ny fiandrianana israeliana amin' i Jerosalema Andrefana ihany no eken' ny maro kokoa ho toy ny fomba fijery ara-diplômasia azo itokisana, satria ny Firenena Mikambana dia mihevitra an' i Jerosalema Atsinanana ho ampahany amin' i Jôrdania Andrefana bodoin' ny Israeliana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]