Jean Laborde
| Jean Laborde | |||
| Ankapobeny | |||
| Anarana | Jean Laborde | ||
| Teraka | 16 oktobra 1805 | ||
| Toerana | Auch-Frantsay | ||
| Maty | 27 desambra 1878 | ||
| Fiaviana sy ny andraikitra | |||
| Firenena | Frantsay | ||
| Asa : | Mpamory sambo | ||
| Fiainana manokana | |||
I Jean Laborde dia mpitantana orinasan-taozavatra frantsay, teraka tamin'ny 16 Ôktôbra 1805 tao Auch (Frantsa), ary maty tamin'ny 27 Desambra 1878 tao Mantasoa (Antananarivo. Madagasikara).
Nanomboka tamin’ ny taona 1837 tany ho any no nanorenan’ i Laborde ny toeram-piasany miendrika indostria teo akaikin’ i Mantasoa, izay nantsoiny hoe Soatsimanampiovana, izay namokarana entana maro isan-karazany, manomboka amin' ny tafondro ka hatramin' ny savony.
Tamin' ny taona 1857 dia noresesin' i Joseph-François Lambert lahatra izy mba handray anjara amin' ny teti-dratsy izay nikendry ny hanesorana ny mpanjakavavy efa antitra sy feno habibiana ka hosoloina ny zanany lahy Radama II. Taorian' ny nahitana ilay fikasana fanonganam-panjakana, dia izy no Eorôpeana sisa tavela teto amin' ny Nosy ary noroahina hiala tao amin' ilay firenena.

Taorian' ny nahafatesan-dRanavalona I dia niverina teto Madagasikara izy tamin' ny naha Consul Général frantsay azy tamin' ny taona 1861, ary maty tamin' ny taona 1878.