Jean-Pierre Bemba

Avy amin'i Wikipedia
Jean-Pierre Bemba tamin' ny taona 2006.

I Jean-Pierre Bemba Gombo dia mpanao pôlitika ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Iray amin' ny filoha lefitra efatra tao amin' ny fitondrana tetezamita tao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô izy nanomboka tamin' ny 17 Jolay 2003 hatramin' ny Desambra 2006. Teraka tamin' ny 4 Nôvambra 1962 tao Bokada ao amin' ny faritanin' i Sud-Ubangi izy. I Bemba ihany koa no mitarika ny  Mouvement de Libération du Congo (MLC), vondrona mpikomy lasa antoko pôlitika. Izy no nahazo vato faharoa be indrindra tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2006. Tamin' ny volana Janoary 2007 dia voafidy tao amin' ny Antenimieran-doholona izy.

Nosamborina tany akaikin' i Bruxelles izy tamin' ny 24 May 2008 noho ny didy fampisamborana navoakan' ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-Pirenena (International Criminal Court – ICC na Cour pénale internationale -- CPI). Tamin' ny voalohany dia voampanga ho nahavita heloka bevava telo amin' ny maha-olombelona izy ary dimy amin' ny heloka bevava amin' ny ady nataon' ireo mpiady teo ambany fahefany. Tamin' ny Ôktôbra 2010 dia nampihena ho roa ny fiampangana heloka bevava amin' ny maha-olombelona sy heloka bevava an' ady miisa telo ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-Pirenena.

Tamin' ny 21 Marsa 2016, voaheloka noho ireo fiampangana ireo izy. Tamin' ny 21 Jona 2016, nogadraina tamin' ny sazy 18 taona araka ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-Pirenena noho ny heloka bevava an' ady sy ny herisetra amin' ny firaisana ara-nofo izy. Tamin' ny 28 Septambra 2016 dia nanao fampakarana ny fitsarana azy izy noho ny fiheverany fa nisy fitsarana tsy marina ary nilaza ny hadisoana tamin' ny famakafakana nataon' ny fitsarana momba ny andraikiny ambony. Ny fanamelohana azy ho nanao heloka bevava tamin' ny ady tamin' ny taona 2016, izay nanefany 10 taona an-tranomaizina, dia nofoanana taorian' ny fampakarana ny raharaha tamin' ny 8 Jona 2018; tamin' ny volana Septambra anefa dia tsy nahomby ny fampakarany fitsarana noho ny fisian' ny fijoroana vavolombelona, izany dia nanakana azy tsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018.