India Avaratra-Atsinanana

Avy amin'i Wikipedia

I India Avaratra-Atsinanana dia faritra ara-jeôgrafia ao amin' ny Repoblika Indiana izay mamorona vondrom-piarahamonina ara-pôlitika sy ara-toekarena arafitry ny fanjakana valo any avaratra-atsinanana. Anisan' izany i Sikkim, i Arunachal Pradesh, i Assam, i Manipur, i Meghalaya, i Mizoram, i Nagaland ary i Tripura. Ity faritra ity dia samy hafa be amin' ny fiteny sy ny kolontsaina taha ampitahaina amin' izay hita any amin' ny faritra hafa any India. Betsaka ny olona ao amin' ireo fanjakana ireo no miteny tibetô-birmana ary manana kolontsaina mitovy amin' ny an' ny firenena any Azia Atsimo-Atsinanana sy Tibeta. Mbola matanjaka kokoa izany fitoviana izany any amin' ny Seven Sister States (ara-bakiteny avy amin' ny teny anglisy hoe "seven sister states"), izany hoe ny fanjakana any avaratra-atsinanan' i India ankoatra an' i Sikkim, izay tsy tafiditra tanteraka ao amin' ny tontolo pôlitika indiana raha tsy tamin' ny taona 1947. Ireo fanjakana ireo dia tsy manana afa-tsy 21 km ny sisin-tany iraisana amin' ny sisa amin' i India eo amin' ny Lalantsaran' i Siliguri. Nanomboka tamin' ny taona 1947, ny fikomiana mpisara-bazana sy ny herisetra iraisan' ny vondrom-piarahamonina tany amin' ireo fanjakana avaratra-atsinanan' ny firenena dia niteraka fahafatesan' olonamliisa 50 000 teo ho eo.