Hispania

Avy amin'i Wikipedia

I Hispania dia ny Saikinosy Iberiana sy ireo faritaniny. Teo ambany fahefan' ny Repoblika Rômana, i Hispania dia nizara ho faritany roa: i Hispania Citerior sy i Hispania Ulterior. Aamin' ny teny latina izy dia atgao hoe Hispānia.

Nandritra ny Prinsipata, i Hispania Ulterior dia nozaraina ho faritany vaovao roa, i Bôetika (Baetica) sy i Lositania (Lusitania), fa i Hispania Citerior kosa dia nantsoina hoe Hispania Tarakôniana (Hispania Tarraconensis). Taty aoriana dia nozaraina ny faritra andrefana amin' i Tarakôniana, tamin' ny voalohany hoe Hispania Vaovao (Hispania Nova), izay nantsoina hoe "Callaecia" (na Gallaecia, izay niavian' i Galicia ankehitriny).

Nanomboka tamin' ny Tetrarkian' i Diôkletiano (taona 293 taor. J.K.), ny atsimo amin' ny sisa tavela amin' ny Tarakôniana dia nozaraina indray ho Kartaginiana (Carthaginensis), sy ny faritany hispanika rehetra, miaraka amin' ireo nosy Balearika sy ny faritanin' i Maoretania Tingitana (Mauretania Tingitana) any Afrika Avaratra, dia nitambatra ho vondrona iray tatỳ aoriana. diôsezy sivily tarihin' ny vicarius. Ny anarana hoe Hispania koa dia nampiasaina tamin' ny vanim-potoana nitondran' ny Visigôty.

Ny anaran' ny toerana môderina hoe Espaina sy Hispaniôla dia samy avy amin' ny hoe Hispania.