Halôhinina

Avy amin'i Wikipedia
Jack-o'-Lantern.

Ny Halôhinina (“Halloween”) dia fety ny alin’ ny 31 Oktobra. Amin’ ny Halôhinina dia maro ny vakoka ataon’ ny olona, ohatra ny “trick-or-treating”, lanonana anaovana akanjo manafina endrika (ohatra sarotava), fisokirana voatavo, fijerena karazana kermesy mampihorohoro sy fidirana anatin’ ny trano mampatahotra, fihainoana tantara mampivarahontsana, ary fijerena horonantsary mampatahotra.

Ny firenena no mankalaza ny Halôhinina be indrindra dia ny Irilandy, Kanada, Aostralia, Angletera, sy i Etazonia.

Fihaviana[hanova | hanova ny fango]

Ny Halôhinina dia avy amin’ ny fety tsy kristiana irilandy fahagola izay antsoina hoe “Samain”. Ny “Samain” dia fety maharitra fito andro, manomboka ny faran’ ny fararano, sy mamaritra ihany koa ny taom-baovao fahagola irilandy. Ankoatr’ izany, dia nampiarahana amin’ io ihany koa ny fetin’ny maty. Nandalo teo afovoan’ny afondasy roa ny vahoaka sy ny bibiny mba hialan’ny ratsy rehetra. Avy eo dia mamono biby ny olona ary alainy ny taolany dia alefany ao anaty afo mba atao sorona. Ny vakoka anaovana akanjo manafina endrika sy sarotava dia avy amin’ny fomba irilandy rehefa maka tahaka ny lolo sy fanahy ratsy ny olona mba handramana hampitony ny fanahy ratsy.

Ny papa Gregoara IV (taona 827 – 844) no nametra ny fetin’ny Olomasina ho voalohan’ny volana novambra. Mitovitovy ny hevitry ny fankalazana ny fetin’ny Olomasina sy ny “Samain”, ary mitranga amin’ny faran’ny fararano ireto fety roa ireto, ary fony tonga tany Irilandy ny finoana kristiana dia nifangaro sy nitambatra tsikelikely ireto fety ireto. Ankehitriny dia tsy misy hevim-pivavahana intsony ny fety Halôhinina.

Ny anarana Halôhinina (“Halloween”) avy amin’ny anarana “All Hallows Eve”, midika hoe “ny arivan’ny olomasina”, izany hoe, ny ariva alohan’ny fetin’ny Olomasina (hallow avy amin’ny teny fahagola anglisy holy :masina, all : rehetra, sy eve avy amin’ny teny “evening”, na ariva).

Evan’ny Halôhinina[hanova | hanova ny fango]

Ny evan’ny Halôhinina malaza indrindra dia ny Jack-o’-lantern na fanalan’i Jack. Ny fanalan’i Jack taloha dia nave nosokirina misy labozia ao anatiny mba hitadidiavana ny anganon’i Jack-o’-lantern, izay lehilahy voaheloka tsy hiaina na any amin’ny paradisa na any amin’ny helo, fa mirenireny an-tany mandrakizay miaraka amin’ny fanalan’ny naveny. Tany Amerika Antsinanana, no nanoloana tsikelikely ny nave ho voatavo satria lehibe kokoa sy mora sokirina ilay izy.

Mampiseho ny toetrandron’ny fararano any amin’ny ilabolantany antsinanana ihany koa ny evan’ny Halôhinina (lava ny alina miohatra ny andro, maty sy latsaka ny ravin-kazo, sns). Miseho matetika ny eva mampatahotra toy ny lolo, angatra, demonia, mpamosavy, ramanavy, vorondolo, goaika, trano misy lolo, voatavo, kary mainty, hala, faty mitsangana, rikarikan-taolana, sns. Ny volomboasary sy ny mainty dia ny loko anakiroa mifameno amin’ny Halôhinina.

Zavatra Atao[hanova | hanova ny fango]

Trick or Treating[hanova | hanova ny fango]

Trick-or-treating any Soeda

Ny “Trick or Treating” dia ilay zavatra mitranga rehefa mangataka vatosoa amin’ny mpiray monina aminy ny ankizy izay manao akanjo manafina endrika, ary miteny hoe “trick or treat!” (“vazivazy ratsy na vatosoa” amin’ny teny gasy) ny ankizy. Nitondra ny vakoky ny Halôhinina ho any Etazonia tamin’ny taon-jato faha-19 ny mpiavy irilandy sy britanika, kanefa tamin’ny taona 50 voa lasa fomba mivelatra ny Trick or Treating tany Etazonia. Araka ny famotopotorana nataon’ny National Confectioners Association (“Fikambana nationalin’ny mpanao vatosoa”), 80% ny olomdehibe any Etazonia dia mizara vatosoa [1] ary 93% ny ankizy sy tanora dia manao “Trick or Treating” na zavatra mitovitovy amin’ny Halôhinina. [2] Taminy 2008, ny sandan’ny fivarotana vokatra (vatosoa, sarotava, haingo, sns) momba ny Halôhinina dia $5,77 arivo tapitrisa dolara amerikana. [3]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]