Gregorio XIII

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Ny papa Gregorio XIII

I Gregorio XIII na Gregoara XIII dia papa katolika faha-226 nanomboka tamin'ny 13 Mey 1572. Ugo Boncompagni no tena anarany. Teraka tamin'ny 7 Janoary 1502 tao Bologne izy ary maty tamin'ny 10 Avrily 1585 tao Roma izy. Amin'ny teny latina dia atao hoe Gregorius XIII izy. Nandimby ny papa Pio V (latina: Pius Quintus) izy ary nodimbasan'ny papa Siksto V (latina: Sixtus Quintus). Izy no nampanova ny tetiandro joliana ho tetiandro gregoriana izay mitondra ny anarany sady ampiasain'ny ankamaroan'ny olona sy ny firenena hatramin'izao fotoana izao.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]