Godefroy de Bouillon

Avy amin'i Wikipedia
Godfroy de Bouillon

I Godfroy de Bouillon dia mpitarika nalaza indrindra tamin' ny Kroazada voalohany, ary mpitondra voalohany tao amin'ny Fanjakan' i Jerosalema nanomboka tamin' ny taona 1099 ka hatramin' ny 1100, na dia tsy nanaiky ny anaram-boninahitry hoe "mpanjaka" aza izy, fa naleony ny anaram-boninahitra hoe "Printsy" (Princeps) sy Mpiaro ny Fasana Masina (Advocatus Sancti Sepulchri). Teraka tamin' ny taona 1058 izy ary maty tamin' ny 18 Jolay 1100 tao Jerosalema.

Izy no zanakalahy faharoan' i Eustace II, kôntan' i Boulogne, ary tompomenakelin' i Bouillon, avy tamin' ny lovan-dreniny, tamin' ny taona 1076. Tamin' ny taona 1087 ny emperora Henri IV dia nanamafy ny maha diokan' i Basse-Lotharingie (na Basse Lorraine), valisoa noho ny fanohanany nandritra ny Fikomiana lehibe natan' ny Saksôna. Nanatevin-daharana ny Kroazada voalohany tamin' ny taona 1096 niaraka amin' ny rahalahiny Eustace III sy Baudouin de Boulogne i Godfroy.

Nandray anjara tamin' ny hetsika tany Nikea sy Dôrileo ary Antiôkia izy, talohan’ ny nitanany anjara toerana lehibe nandritra ny ady fakana an' i Jerosalema tamin' ny taona 1099. Rehefa nolavin' i Raymond IV de Toulouse ny fikasana azy ho lasa mpitondra an' ilay fanjakana vaovao, dia nanaiky an' io andraikitra io i Godfroy ary niaro ny fanjakany tamin' ny fandresena ny Fatimida tao Ascalon iray volana taty aoriana, ka namarana ny Kroazada voalohany. Maty tamin' ny volana Jolay 1100 izy ary nodimbiasan' i Baudouin rahalahiny ho mpanjakan' i Jerosalema.