Goavy

Avy amin'i Wikipedia
Goavy

Ny goavy dia voankazo avy amin' ny zavamaniry mitovy anarana aminy izay velona amin' ny faritra manana toetanin-janapehintany, fihinana, boribory na miendrika atody na poara, mirefy 3 hatramin' ny 10 sm ny savaivony.

Manify sady mora rovitra ny hoditry ny goavy, izay miloko maitso (raha mbolaa manta) na maitso tanora na mavo (rehefa masaka). Miloko fotsy na mavo na mavokely na mena ny nofony rehefa masaka. Mizara roa ny ao anaty voan-goavy, dia ny sosona ivelany izay somary mafimafy sy tsy misy vihy, ary ny farirta anatiny kokoa izay malemilemy mifono vihy maro mafy tou ny vato mirefy 3 hatramin' ny 5 mm.

Menaka goavy

Azo hanina ny goavy masaka. Ny fihinanana goavy misy vihy maro sy mafy dia mety hiteraka fitohanana ao anaty tsinaibe. Azo atao koa ny mahandro azy miaraka amin' ny siramamy mba ho azo tehirizina mandritra ny andro maromaro. Azo anamboarana ranom-boankazo ihany koa ny goavy.y

Ny vihin-goavy koa dia azo anamboarana menak a azo atao sakafo na anaovana fanafody.