Aller au contenu

Fitohanana

Avy amin'i Wikipedia
Radiô natao tamin'ny zazalahy mitohana


Ny fitohanana dia fahasarotana mamoaka ny diky (tay), izay tsapa fa mafy ary sarotra avoaka. Hita matetika ny fitohanana, izay mikasika 5 hatramin'ny 10%-n'ny olona eto an-tany.

Betsaka ireo famaritan'ny mpitsabo azy : ny famoahan-diky latsaky ny in-telo isan-andro ary na hasarotan'ny famoahana azy no tena famaritana eken'ny ankamaroan'izy ireo.

Ny mety ho anton'ny fitohanana dia mety ny votoatin'ny tay :

  • Tsy fiampian'ny rano na tsy fihampian'ny sakafo misy "fibre",
  • Fandevenan-kanina maharitra loatra.
  • Tsi-fiampian'ny hetsika manatanja-tena, fakana mpampivalan-tay (laxatif) ;
  • Olana ary fijaliana tam-pampianarana ny fahadiovana tamin'ny nahazaza ny tena.
  • Tsi-fitiavana mankany amin'ny fidiovana noho ny fahalotoany.
  • Matahotra ny hivalana any amina toerana tsy misy fidiovana
  • Fahitana ny famoahan-diky ho mpandany fotoana.

Fahitana ny fitohanana

[hanova | hanova ny fango]

Ny Bristol Stool Chart (BSC) dia maneho ny endriky ny tay. Ny endri-diky 1 sy 2 izay sarotra avoaka noho ny hamainy dia diky avoakan'ny olona mitohana. Ny endrika telo ary ny endrika efatra no endrika tokony hananan'ny diky, ny endri-diky 5 (malemilemy ary tsy mitambatra) hatramin'ny 7 (ranoka tanteraka) kosa anefa dia fivalanana, ary tokony hotsaboina maika.