Fozan-dranomamy
Apparence
Ny foza an-dranomamy na foza dia biby folo rantsambatana, ka ny roa voalohany dia afaka miketoka toy ny tandra misy nifinifiny. Karazana foza an-dranomamy miisa 1 300 eo ho eo no miparitaka manerana ny faritra manodidina trôpika, ary mitsinjara amina fianakaviana valo. Ny tsingerim-piainan' ny foza an-dranomamy dia fivoarana mivantana izay ahitana ny reny mikarakara ny zanany vitsivitsy, tsy toy ny fozan-dranomasina, izay mamoaka olitra planktônika an' arivony. Izany dia mametra ny fiparitahan' ny foza an-dranomamy, noho izany dia matetika izy ireo dia tsy faita raha tsy amin' ny faritra kely. Vokany, ampahany betsaka anin' ny karazany no atahorana ho lany tamingana.