Fitsarana Iraisam-Pirenena

Avy amin'i Wikipedia
Tombokasen' ny Fitsarana Iraisam-Pirenena,

Ny Fitsarana Iraisam-Pirenena, izay any Den Haag (Nederlandy) ao amin' ny Lapan' ny Fandriampahalemana, dia naorin' ny andininy faha-92 ao amin' ny Dinan' ny Firenena Mikambana: "Ny Fitsarana Iraisam-Pirenena no sampan-draharaha lehibe ara-pitsarana ao amin' ny Firenena Mikambana. Izy io dia miasa mifanaraka amin' ny Sata natsangana mifototra amin' ny Satan' ny Fitsarana Iraisam-Pirebnena Maharitra ary ampiarahina amin' ity Dina izay miaty azy ity." Atao hoe Cour internationale de justice na CIJ izy amin' ny teny frantsay fa International Court of Justice na ICJ kosa amin' ny teny anglisy. Ny tena anjara asany dia ny famahana ny fifandirana momba ny lalàna apetraky ny firenena sy ny fanomezana hevitra momba ny olana momba ny lalàna atolotry ny fikambanana sy ny masoivoho iraisam-pirenena ankatoavin' ny Fivoriamben' ny Firenena Mikambana.

Noforonina tamin' ny alalan' ny fanambaran' ny Firenena Mikambana tamin' ny 26 Jona 1945 izy io, ary niasa nanomboka tamin' ny Marsa 1946. Izy io no nasolo ny Fitsarana Maharitra Iraisam-pirenena (Cour permanente de justice internationale na CPJI na Permanent Court of International Justice), naorin' ny Fikambanan' ny Firenena (Société des Nations na SDN na League of Nations). Ny fiteny ôfisialy ampiasaina ao dia ny fiteny frantsay sy ny fiteny anglisy.